Mankasitraka indrindra, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izao antsika rehetra, tsy misy mahay mampiditra soa ho an'ny tenany sy ny manodidina azy raha tsy Ny Avo no manome alalana izany.
1. Miantso anao 'zahay, ry Tompo Fa mitady ny Fanahy hanavao ny taninay e, Izy rivotra mahery mampijoro sy mandavo Ka matahotra izahay sao alavony tokoa 'Zay naorinay rehetra Tebitebinay rehetra 'zany tanisaina izany e Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao Hisantaranay sahady ô 'zany fiadananao 2. Miantso anao 'zahay, ry Tompo, Fa mitady ny Fanahy hanavao ny herinay, Izy rano manan-kery hitondra aina sy handrava Ka matahotra izahay sao ho ravany tokoa 'Zay mba nianteheranay 3. Miantso anao 'zahay, ry Tompo Fa mitady ny Fanahy hanavao ny tenanay: Izy afo manan-kery fa mandoro sy mandio Ka matahotra izahay sao levoniny tokoa Ny fitiavan-tenanay 4. Miantso anao 'zahay, ry Tompo, Fa mitady ny Fanahy hanavao ny fiainanay: Izy avy aminao, ry Tompo, manan-kery hanova anay Ka matahotra izahay sao fongorany tokoa 'Zay mba nahazatra anay