1- Ritsodritsoky ny foko Mitempo fitia no asandratro androany e! Bitsibitsiky ny saina Nivadika ho haravoana tsy lany e! Hantahantan'ny zanaka faly aok'izany Migoka ny mamy ee! Hetahetam-panahy maniry hatrany Ny ho tantanaNao Ref: Ho Anao no anolorako ny foko androany Ho Anao irery ihany Na ho mangidy io na ho mamy ee! Foiko ho Anao ny fiainako eto an-tany e! Fa IANAO NO MPAMONJY AHY ARY MBOLA HANANGANA AHY ANY AM-PARANY ANY 2-Niady mafy ho ahy Ianao Mba ts'isy haharombaka ahy Eo an-tànaNao Tsy navelaNao ho irery aho Fa notsimbiniNao sy narovaNao Na ny aiNao aza moa d'efa natolotrao Hanavotana ahy Tsy ho voavaliko Tompo ô F'isaorako indrindra ny anaraNao Mankalaza Anao ny foko Amin'ny androko rehetra Ho deraina ny anaraNao Amin'ny taona tsy misy fetra
ninoninona hadalana efa vitanao taminy fianana ANDRIAMANITRA dia vonona foana handray anao,any am tsika tsirairay zany ny fanalahidy ny lanitra sy ny fiainana mandrak'izay..........zay SAFIDINAO sisa
isany hira tena akafiziko ty hira ty amin hira evangelika !mteny be ho ahy ny toniny.mirary soa manokana hoan tarika,ho lasa lavitra atrany anie ny tarika Alitara.mankasitraka topoko
tsar b deraina jesosy fa efa tonga saina ny akabiazany olona fa miova evengelique daholo ny hira irarina mba ho voavonjy ny vahoka malagasy rehetra.amen