tena tsara be le hira, fa ny album niarak tamnreto hira reto no tsy hita ato @ you tube, tahaka ny hira hoe, Bezako, Jesosy raike avao, milalilaly sns.... mba alefas tompoko
Ndrisy courage fa mafy ny nilaozany havatiana an , efa niainako dia tsapako, tsarovy fa efa Sambatra eo anilany Tompo ny fanahiny ka TSY mananjava - mahory intsony izy , courage an 🙏
Ambohijatovo Fitiavana à, Sao dia mba azonareo alefa eto ny tonon'iny hira-nareo "Antso ho anao" iny ? Tena mba tiako, ary tena misy hilako azy mihintsy ankehitriny . Misaotra anareo mialoha indrindra tompoko . Hoy Nenibe Holy Razafindratsima, 78,5 taona . avy ao @ Fiangonana Katedraly Sta Laurent Ambohimanoro aho . Misaotra anareo an .
Tononkira Antso ho anao - HOSANA Raha misy ratra am-po Na azom-pahoriana ianao Dia lalana lalovana io mba hanefena anao Na dia mavesatra aza Tsy hanarina ny finoana Ho maivana aminao Rehefa JESOA no antsoina tsarovy koa fa maro No mivavaka ho anao Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao Iray no hitokiany Dia JESOA zay tsy mandao Nampody ny aizan-dava Ho maraina vaovao Matetika na sambany ianao No hiharam-pitsapana toy izao Dia aoka hazava tsara Fa misy tiany ambara Fitiavana no anton’ izao; sady efa antso ataony aminao Hiovanao fo raha tsy fantatrao Valio izao antso izao Na maloka aza ny andronao Tsy mety mibaliaka Hijery anao hatrany anie ’lay ANDRIAMANINTSIKA Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao Hampody ny aizin-dava ho maraina vaovao Matetika na sambany ianao No hiharam-pitsapana toy izao Dia aoka hazava tsara Fa misy tiany ambara Fitiavana no anton’ izao; sady efa antso ataony aminao Hiovanao fo raha tsy fantatrao Valio izao antso izao Na maloka aza ny andronao Tsy mety mibaliaka Hijery anao hatrany anie ’lay ANDRIAMANINTSIKA Mahay ny zavatra rehetra ’zay tsy takatrao; Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao Tonony sy Feony : Germain Rajaonarivelo
Mankasitraka tanora mitory ny filazantsara amin alalan'ny hira Tsarovy hatrany koa anefa fa na manao mis en scène eny amin tendrombohitra tsy misy mpijery aza ianareo d efa NANDROAKA NY fanahy ratsy eny amin'ny rivotra tany!! Ho TAHIANA INDRINDRA !
Annick,Naivo,Cinq,lsabelle,Naivo,Rebecca, Clairaut,Olinah( 😭),,Angela,led jumelles Johary,Nantenain,Seta,Rajao, etc.....RIP crux qui nous ont quittés ... pionniers du KM ...members vioalohany t@ KM ...les,années 70 ....77....
Efa voasoratra eo ambany eo ny lohateny hira roa "Ampy ho ahy ny fahasoavanao" sy "Voninahitra" . Ny Tarika Antsam-pitia dia tany Mkara no niantombohany, fa efa eto Paris ny ankamaroany izao. Misy hira noforonin'ny mpanorina ny tarika koa hirain'ny Chorale Serafima Ambohibao
Faly be aho fa naheno ndray anty hira ty, efa ela ihany no tsy nahenoko azy, ny fisiany aza efa saika hadinoko. Fa nefa faly aho fa mampahery ahy fona ny hira no sady mampatsiahy zavatra maro ahy iany ko.