Na lavitra aza aho Tsy nanadino anao Fa toy ny reny nitaiza Tsy adino n'aiza n'aiza Fa nahitako masoandro Tiako sy mamiko O tadidiko isan'andro Tiako ny taniko Fa tiako anie ilay nosy Fa nanabe, nibaby, nandrotsirotsy Fa n'aiza n'aiza Ho onenana Ny tany nitaiza Tsy maintsy hiverenana Fa ao no hilevenana Raha toa aho nandeha Tsy hitahita, tsy re Tsy hoe akory nanary Fa nikaroka ny ahy Fa ny fanahin'ny fo Tsy taiza fa teo ihany O tany aminao avokoa Fa mamy ianao, tena mamy Fa tiako anie, ilay nosy Fa nanabe, nibaby, nandrotsirotsy Fa n'aiza n'aiza Ho onenana Ny tany nitaiza Tsy maintsy hiverenana Fa ao no hilevenana
NY tena namana dia ilay tsy mahafoy ary tsy manadino na lavitra aza no misy.Ny tena tia dia ny manolotra ny ainy hoan'ny sakaizany, noporofoin'izy ireo izany.