Jesosy oh, ianao koa tsy mba nanameloka ahy, Na firy aza ny ota efa vitako, navelanao ny heloko. Jesosy oh! Ianao ilay niady ny adiko, am-pototry ny hazo nijalianao no ametrahako ny fiainako! Misaotra Jesosy fa maro loatra ny famirapiratan'ny voninahitrao teo amin'ny fiainako, ianao ilay mpamaly vavaka!
confinement moa amin'izao faha-11 mai 2020 izao, dia tsy hitan'ny tena izay handaniana andro fa dia mihodinkodina fotsiny ato an-trano ato. Dia tadidiko sady tsaroako ny resaky ny olona tamiko fahiny tetsy sy teroa momba ny Antemoro sy ny fifandraisany tamin'ny foko Ambaniandron'Andrianampoinimerina fahiny sy fahizay. Ny tena nitantara tamin'ny lafiny samy hafa moa dia maro ary dia tena maro tokoa. Ny olontsambatra Lucien Botovasoa angamba no faratampony amin'ny tantaran'iny faritra Antemoro iny . Olomalaza izay tsy hay hohadinoina avy amin'iny faritra iny ingahy Fernand Kasanga. Dia inona ary hono no niseho? No taitra tamin'izay torimasony tany Andriampoinimerina ary dia naniraka olona tany amin'ny Mpanjaka RAMAKARARO. Nangataka tamin'ny mpanjaka RAMAKARARO IZY MBA Handefa olonkendry Antemoro, hiara-hitantana aminy ny Tany sy ny Fanjakana. Novorian-dRAMAKARARO ny foko Antemoro manontolo, ary hoy izy : tsy manana fitaovam-piadiana sy tanjaka hifanatrehana amin'ny mpanjakan'ny Ambaniandro aho, ka dia aoka ianareo samy hanolotra olonkendry avy aminareo halefa any amin'Andrianampoinimerina..Tendreo ny an'ny Anakara, ny an'ny Anteony, snsisa...No voatendry ny olona efatra : Ratsilikaina, Andriambita,, Rasomezo, Imosa. Roalahy ny avy tao amin'ny Anakara, dia Andriambita sy Ratsilikaina. RAFARAMALAZA Renin-dRatsilikaina dia vehivavy efa nananontena. Tsy mety, hoy izy, ny handefa samy irery an-dRatsilikaina any amin'ny Ambaniandro, fa handeha hanaraka azy ihany kos, ANDRIAMAHAZONORO ZANDRINY. Nalaza tateraka tokoa tany amin'ny Antemoro ny Taranak'izy dimy mianaka. Andriamahazonoro no zandriny indrindra, nalaza izy fa izy no nitondra voalohany ny taranaky ny Ambaniandro Merina tany Angleterre. Tsy hitanoanoa ny zava-bitan'izy dimy mianaka teto Madagasikara. Hoy RAFARAMALAZA: Indro ry zaza tahirizo ny andro sy vintana nialan-dRatsilikaina sy Andriamahazonoro ho any amin'ny Ambaniandro. Ny dimy miaradia dia tsara fa ny andro fahadimy nialan'izy ireo no ratsy fa mampaniry ny andro fahadimy namoronan-janahary ny fahafatesana. Dia tonga tany Imerina izy DIMY mianaka. Noho ny fahaizan'izy ireo, dia nialonan'ny tandapa izy dimy mianaka. Dia hoy Ratsilikaina tamin-dRadama voalohany : tazony ho marina manomboka androany izao teniko izao, satria ho faty aty amin'ny Ambaniandro izahay Anakara, ka dia ianao ny ho mpanjaka lahy farany avy amin'ny Fokonao, fa ny ho avy dia ho vehivavy avokoa. io teny faminanian-dRatsilikaina miendrika ozona io no antsoina hoe : signe indien. Resy ve io izy io amin'izao androni Andry Nirina Rajoelina Filohampirenena Malagasy izao e? Hoy Andrianampoinimerina : Rakoto no tiako hanjaka, na dia tsy zanako tamin'ny vadibe aza izy. Ny tena olana tamin'ny fampanjakana azy dia n ratsy vintana izy fa vintana mpanaraka na vintana kisoa. Dia hoy Andriamahazonoro : Matokisa ianao ry Mpanjaka fa ny olona rehetra dia azo am-panjakaina avokoa, fa tsy maintsy amboarina ny vintany. Hoy Andriamahazonoro : Ry Mpanjaka Andrianampoinimerina o, vita ny fanamboarana ny vintan'ny zanakao. Hafaliana tsy nisy hoatra an'izany ny an'Andrianampoinimerina. Ka izao ary hoy Andriamahazonoro - Ny anarany dia tsy maintsy ovaina hoe : DAMA, ny anaran'ny vehivavy ho vadiny dia tsy maintsy antsoina hoe: HOVA. Ny teny DAMA dia fiteny Antemoro anondroana ny Lehilahy Manjaka, ny HOVA kosa dia ny vehivavy vadiny. Rahoviana io zaza vao efatra ambin'ny folo taona io, hoy Andrianampoinimerina no hanambady, fa dia ny foko Ambaniandro Merina no ho vadiny, ka dia hantsoina koa hoe : HOVA ny Ambaniandro. Ny Ambaniandro moa dia nalaza ho be resaka sy mpitsikilo resaka olona ka maro no anarana iantsoana ny Ambaniandro : Ambaniandro, Hova, Merina, Malama [fetsifetsy, tsotra volo]. Antsoina koa hoe : Merina hatramin'ny fahagolantany ny Betsileo any Imadi sy Any Avaratr'i Fandriana : Miarinavaratra. Ny tena izy dia hoe : Merina avaratra. Maty nisy Ambaniandro namono azy ireo izy dimy mianaka ANTEMORO izay tsy nanam-pahadisoana afa-tsy ny fanasoavana ny Ambaniandro, Malama, Hova, Merina. Tena misy dikany tsy hita velively ny andro. Eto Madagasikara eto fotsiny ihany dia misy manomboka ny andron'ny herinandro amin'ny andro alakamisy, tahaka ny Ambaniandro ka nahatonga ny hoe : talata gorobaka mifoha ny alarobia tsy miverina. Faran-kerindro ny Alrobia,. Misy manomboka ny Alarobia. Ny fanisana andro iraisampirenena dia manomboka alaribia. Tany Roumanie aho dia gaga fa raha namakafaka momba an'i DRACULA aho , dia nahita fa nanomboka alakamisy ny androny, Ny teny hoe : dracul dia Andriana Manitra. Lavabe ny tantara nahatonga azy hoe dracula= liandra. Alahady no anombohan'ny an'ny kristianina, Tsy fantatra ny an'ny Jody fa tsy manana anarana ny androny. Ny tena mahagaga dia tsy nisy na dia jody anakiray aza nahita ny andro nahaterahan'i Jesoa Kristy. Mpimasy sy mpisikidy arabo izay tsy nanam-pifandraisana mihitsy tamin'ny Jody sy Jesoa no nahita azy. Mpivavaka tsy nisy toy izany ny manampahaizana Andrarezin'ny Malagasy RATSIMAMANGA , nefa dia nihosina sy nilafiKa niaraka tamin'ireny Malagasy lazaintsika ho mpimasy ireny IRENY IZY. Tsy nantsoiny mihitsy hoe : mpanompo sampy izy ireny fa nantsoina hoe savants hoatra azy RATSIMAMANGA ireny mpimasy malagasy sy mpanasina malagasy ireny. Tamin'ny taona 1975 aho dia namoaka ephemeride niaraka tamin'ny Profesora RABEARIFENO. I professora no tena niasa nanatontosa sy tompon-kevitra. Ary dia io fomba fanisana andro arabo izay nahitan'ny arabo ny andro nahaterahan'i Jesoa io no nolovain'ny Gasy tamin'ny alalan'ny Antemoro sy ny finoana silamo. Satria hoy Andrianampoinimerina : Ny fomba fanisana andro dia hovana amin'ny fomba fanisana andro Antemoro. Ary dia izany fomba fanisana andro izany nohita sy vakina amin'ireo taratasim-panjaka rehetra taorian'Andrianampoinimerina. Ka io fomba fanisana andro io dia manondro isan-taona ny taombaovao Malagasy ho ny Andron'ny Fankalazana amim-piravoana ny fifaranan'ny Ramadana silamo. Ny teny hoe vakoka dia izao no dikany sy niaviany. Ny vehivavy nihaja rehetra, noho ny alahelony ny zanany vavy hanambady ka holasan'ny anarandrain'olon-kafa, dia nanao vangovango na habantanana [bracelet] ho an'ity zanany vavy. Vehivavy tsy fanao ianao ny vehivavy manary ny vakoka [mety ho volamena na ho volafotsy, snsisa] avy amin'ny razany izay nosoloin-dreniny niteraka azy tena. Havetavetana ny fitenenana hoe :vakodrazana, satria ny vakoka dia efa manondro ho ny zavatra farany izay masina indrindra avy amin'ny razana. Aoka hijanona amin'izay aho fa lava loatra. RADANIELINA Ignace Marie Julien;; efa ho valopolo taona aho izao. tel:02 24 24367