Jesoa isaorako ny fitiavanao ahy Na mafy ny manjo mandresy ny fanahy Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao Mionona ny fo eo am-pelantananao Jesoa misaotra indrindra Misaotra eram-po Ny fiainako mirindra Ka ampoky ny soa Fa ampy hifaliako ny fahasoavanao Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao Jesoa isaorako ireo teninao Fa dia nandramako mandresy aho izao Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao Matoky izany fo ampaherezinao Jesoa misaotra indrindra Misaotra eram-po Ny fiainako mirindra ka ampoky ny soa Fa ampy hifalialo ny fahasoavanao Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao Jesoa misaotra indrindra e Misaotra eram-po Ny fiainanay mirindra ka ampoky ny soa Izao no faniriana ireo taranakay Jesoa ho fifaliany ny fahasoavanao.
Tsy misy soa ho ahy afa-tsy i Jeso 1 Tsy misy soa ho ahy afa-tsy i Jeso Nafoiko ny haren'ny tany Manan-karena aho nahita Azy Faly ao Aminy re aho Refrain : Faly aho miaraka Aminy Jesosy tokana ihany Na dia mahantra aza Mbola manao hoe : Faly ao Aminy re aho 2 Fony tsy nisy avotra fisoloana Sy ho fampanekena ny Ray Dia nanolo-tena hanavotra ahy Tamin'ny ràny i Jesosy Refrain 3 Raha meloka ao amin'ny famoizam-po Tsy misy fahazavana Jesosy kosa manao ahy mpandova Ny lapan'ny voninahitra. Refrain (x2)
I cant praise God enough for the internet I have been using that song for a lot of my presentation, sing it without music not knowing I could have the karaoke with it thanks brother
FFPM452, Tompo ô, ovay ny foko 1. Tompo ô, ovay ny foko Mba ho mora anarina Toy ny an’ny zazakely Tsotra sady marina : :,: Tsy mialona, tsy maditra, Fa manao ny sitrakao ! :,: 2. Zaza ka tsy te-hifidy Izay homenao ahy anio, Ny ho azoko ampitso Dia ankinina aminao ; :,: Koa tsy manahy aho Fa efa niantohanao ! :,: 3. Zaza tsy maharo tena Fa miankina amin-dray : Tsy mahery, tsy mba hendry, Ary tsy mahay mandeha ; :,: Hianao no Raiko tia, Raiko be fahari-po ! :,:
aiza tompoko no mba afaka ahitana ny bande audio originale an'ity hira ity fa tsy mahita n'aiza n'aiza, na am internetaza. Misaotra indrindra am Karaoke