Tsapako avy hatrany ny hasambarana Nohon’ny fisinao, lavitry ny aizina aho Mibaliaka ny androko Misinda hatreo ny ahiahy,f’ilay fitia nomenao ahy Mampatoky, ato am-poko mandrakizay Ela loatra no efa niandry Ity ora ity, izaho sy ianao Minitra iray izay sarobidy Ho fiainam-baovao Tanteraka ireo nofinofy Ka manombok’izao Mandramaty… Ny voady izay niaraha-nanao! Io segondra iray no hamehezanay Ny fifankatiavanay Nokoboninay hatrizay, Hiara-dia! (hiara-dia) Ho doria Izaho sy ianao hifaly hifankatia Anatrehan’Andriamanitra Ho ren-tany aman-danitra Ela loatra no efa niandry Ity ora ity, izaho sy ianao Minitra iray izay sarobidy Ho fiainam-baovao Tanteraka ireo nofinofy Ka manombok’izao Mandramaty… Ny voady izay niaraha-nanao! Mandrakizay, hitambatra ho iray Mandrakizay ny fanirianay Mandrakizay, hitambatra ho iray Mandrakizay ny fanirianay Mandrakizay, hitambatra ho iray Mandrakizay, hitambatra ho iray Ela loatra no efa niandry Ity ora ity, izaho sy ianao Minitra iray izay sarobidy Ho fiainam-baovao Tanteraka ireo nofinofy Ka manombok’izao Mandramaty… Ny voady izay niaraha-nanao! Mandrakizay, hitambatra ho iray Mandrakizay, hitambatra ho iray Mandramaty reo voady zay niaraha-nanao Mandramaty reo voady zay niaraha-nanao