ankekezo e inty ny tanako fikiro fa manonja anie ity ranobe ........ aza avela andeha irery aho jesosy tiko tena tiko ny tonony .arahaba tratry ny taona 2020 daholo e
Amorony fo madio aho Andriamanitra o Fo iray miorim-paka mafy ao Aminao Andosiran’i satana Fa hivoha hidanadana Henika sy feno ny hasoavanao Mba tolory saina tsara Tompo Masina o! Mba hisainako ny lala(na) Mankany Aminao Saina afaka hahalala Fa tsy ny lala-migodana No hanatrarana ilay paradisa soa Ref : Akaikezo e! inty ny tanako fikiro Fa manonja anie ’ty rano be Aza avela handeha irery Tantano an-dalana aho sao very Jesosy o! Ianao no tokiko ’Lay fanahy mahaolona nomenao ahy koa Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao Dia manjary mampanahy Raha tratry ny fakam-panahy Ka farany ho may sy ho ratsy fiafara Ny tongotro, ny tanako, ny loha, ny masoko Ny eritreritro, ny sofiko, ny vavako Zany hoe raha atotaly Tsy zava-bitsivitsy ihany F’izaho mihitsy no apetrako Aminao Ref : NY MPITORY