Rakotondrazafy Lalatiana Henriette: Ho tendrena ho ambasadaoron’I Madagasikara atsy amin’ny Nosy Maorisy hisolo ny Jeneraly Camile Vital I Rakotondrazafy Lalatiana Henriette rehefa tsy lany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo raha ny nambaran’ny loharanom-baovao avy ao anatin’ny fitondrana, ary nohamafisin’i Fleury Rakotomalala. Tsy manaiky io toerana omena azy io anefa ity Filohan’ny antoko Freedom ity fa mangataka ny ho tendrena hiasa any Paris France, ka na ho Ambasadaorin’I Madagasikara any amin’ny UNESCO Paris haka ny toeran’I Yvette Sylla, na ho tendrena ho mpanolotsaina voalohany na Premiere conseillere ao amin’ny Masoivohon’I Madagasikara ao Paris no voalaza fa angatahany.
30 сен 2024