Any enao zay eee, enao lay natosiko tamin'ny kalesa , 😂, tsika nifampizara voatsinefy sy voamadilo , mahatsiaro mafy ny any Mada 🎉, zah aty canada zao, enao zao tsy aiko tsony hoe aiza
Any ianao ’zay Rotsirotsin’ny fiaraben’ny Hyundai ianao ’zay Ny 0248 TN Nahafantarako anao re tsisy neniko Any anao zay I Kalamena volo havako iny e! Mena tsy foiko No sady tsy foiny Lokon’Arema, fa nifankatiavanay Sigara Good Look akiy Anembonako an-dry Good Look amin’ilay tsisy Menthol Fa ny nitiavako anao re toin’ny taonina Sarin’ny Masina Maria Anembonako an-dry Lay manao hazo fijaliana kely amin’ny tanana an-kavia ('Ty kosa ho'aho mahasosotra mihitsy rehefa manao an'izay) Any ianao ’zay Angambany efa tena lasa lavitra be Mbo rahoviana indray vao mba ho hitako ianao F’ataoko manatitra ahy hatrany Ivandry Any ianao ’zay Angamba efa mamindra 4ème vitesse amin’ny Hydrocarbure ianao izay Fa ny fiara tiany No tiako tiangenana Mahita azy mitsiky aho d’efa fahafinaretaako a. Ia ia ia Sigara Good Look akiy Anembonako an-dry Good Look amin’ilay tsisy Menthol Fa ny nitiavako anao re toin’ny taonina Sarin’ny Masina Maria Anembonako an-dry Ilay mihantona amin'ny tambohon'olona etsy Manjakaray, Vasakaosy, Isotry, Ambanidia Eee Monsieur Polisy o Polisy malala o Ikala menavolo iny ange Raha sendra mba hitanao any alohaloha any Dia sakatsakano kely Dia raha sendrasendra azonao Dia ento any Tsaralalana Dia fatopatory kely Raha sendra be rano maso dia omeo chiffon jaune dia hovangivangiako matetika any re ry ngahy polisy malala o --------