Malagasy Power metal
/ allkiniah-121883984563891
Ilay fahotana, mifehy sy mamatotra anao
tsy mba tsapanao ve fa gadra ny fanahinao?
Ireo hasambarana, hasambarana fohy iainanao
Mamatotra faka takalon'ny fanahinao
fahafatesana no valim-pahotana
tsy ho kivy anefa, miandrandra ilay fandresena
Ny feon'ny anatra, izay feno fitiavana
no hahatonga saina anao, hanova ny fonao
ilay hery ao ambony ao, ilay hery tsy hay tohaina
no tonga hamonjy anao avy any lavitra any
Ampy izay, very any ianao,
fotoana izao, ovay ny fonao,
izay atao no hitsarana anao
ampy izay ireo vita hatrizay
izao tontolo izao, no ahita ilay hazavana
ho tonga saina ireo, hanova fiainana
Ilay hery ao ambony ao, ilay hery tsy hay tohaina
no tonga hamonjy ireo, avy any lavitra any
avy any lavitra any.
#ALLKINIAH
7 окт 2024