: Raha mbola velona aho ka miaina ety, Ampy ahy Jeso, ampy ahy Jeso Izay no hany faniriako Tompo ô, Ny hirakitra am-poko f’ampy ahy Jeso Andrandraiko anio ny maso hifantoka Aminao Tsy hijery akory izany ady hanafotr’ahy Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso Tano mafy aho mba hifikitra Aminao Tsy ahoako izay ho valifatin’ny tsy tia Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso Na ho jamba aza ireo masoko ireo Ka esorina amiko ny aina sy ny feo Ny hany hitalahoako sy hangatahiko Aminao ô Ampy ahy Jeso, ô ampy ahy Jeso Hametraka hevitra tononkira.serasera.org/hira/imprimerie-adventiste/ampy-ahy-jeso tononkira.serasera.org
aza miverina mivavaka fotsiny, fa mivavaha foana na aiza ianao na aiza,... maro no tsy mahalala fa ampy tokoa Jesô....tena mpamonjy mora azo indrindra izy.... mahereza
Jaona14,27" fiandanana no omeko anareo tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao" Mivavaha se de angatao Jesosy hiditra ao anatina ka hanjaka eo amin fiainanao rehetra, hatinao ilay fiandanana izay avy amin Jesosy