Тёмный

Andriamanitra tsy mandao | Laurent Rakotomamonjy | Tononkira 

Jonathan Ratelo
Подписаться 10 тыс.
Просмотров 4,6 тыс.
50% 1

Andriamanitra tsy mandao
Laurent Rakotomamonjy
Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia mandeha mizotra amin'ny ankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila sady mitady ny toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao
Vehivavy :
Fa raha nanafatra/ anao Izy/ ka niteny nanao hoe
Lalan-kely arahina fa aza mizotra ny lalam-be
Tsy nino an’izany ianao fa io hoy ianao no hita fa tena tsara
(4 voix) Nefa io izoranao io hay any andavaka no miafara
Ry mpanota ô tsarovy fa Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia mandeha mizotra amin'ny ankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila sady mitady ny toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e! tsy mandao anao
Lehilahy :
Fa raha naniraka anao Izy ka niteny nanao hoe
Ndeha torio ny Filazan-tsara ho ren’/ ny olona maro be
Ianao tsy nitory fa natahotra hifandona amin’i losifera
(4 voix) Tsy mba nanana finoana fa vao voadona dia efa mianjera !
Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao
Fa ny Tompo dia tsy mandao e! tsy mandao anao
Fa ianao no maningatsingana sasa-miarina fa voafingana
Fa ny Izy dia tsy mandao ê! tsy mandao anao
Fa ianao tia ny mialangalana, Te hiverina antsa-dàlana
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Опубликовано:

 

17 окт 2024

Поделиться:

Ссылка:

Скачать:

Готовим ссылку...

Добавить в:

Мой плейлист
Посмотреть позже
Комментарии