Fa fony vao namony ny fitiavako anao Nanomboka nazava ilay jiro nitsilopy Ho tonga ny havandra sy ny orana nikija tonga hisompatra Nanapaka ny taho sy namono ilay afo Tsy naharitra aho fa lasa Nanefy akany vaovao ho ahy Hanorenako indray ilay fitia nitsahinao nandratra ahy Tsy hitamby aminao, na mangidy aza izany Maika mantsy ho fantatrao, ka izaho tsy hitomany Ka ny hoaviko eny indrisy, efa nopotehinao Hosaronako ilay tsiky, amin’zay tsy ho fantatrao Tsy ataoko ho fantatrao ny ratram-poko ao Sao araraotinao hampijalina ahy indray Ataoko toy ny hoe tsy tiako intsony ianao Hiala aminao aho sy hanadino anao Oram-be mivatravatra kotro-baratra No nalaiko ho namanao Tsy hamoy fo alahelo an-tanin’olona aho Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra Na ny mamiratra aza no hanambazana ahy Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao Ry tany mamiko no nampanembona ahy Nierikerika aho fa sao tao ianao An-tsaina sisa no nahitako anao Ny sitra-pony vitany nefa ianao feheziny Lay fahafahanao toa nitsahiny, tsy tsaroany fa Ireo toky sy dina nentiny nambabo anao Hay rotsirotsy fotsiny hampatory anao Hitanao izao f’ilay fitiavany dia tsy natolony ho anao Fa ho an’ny tenany Sombinaiko ho anao no amoronako ity hira ity f’efa Tsy ho ela dia ho avy ilay ora iray iandrasako anao Fantatro fa tsy safidinao ny ho tonga ety an-tany Tsy lanitra no hitsena anao na paradisa koa Mangahiahy tsy misy hitarainana Tsy mana-namana tsy manan-kavana Toa kamboty zary singan’olona Mavesatra ny fahanginana Mifendrofendro toa vonton’ny tomany Toa fenofeno ary sy manimanina I dada sy i neny tsy eo anilany Tsy hita izay ho sarangotina Fa firy moa no mba mijery izany Eny firy koa no mba manampy azy Misy ireo miraviravy tanana Toa mafy fo tsy mba miantra namana Fa firy moa no mba mijery izany Eny firy koa no mba manampy azy Ka tolory tanana aho mba jereo Fa aza avelanao ho irery fotsiny eo
Fa fony vao namony ny fitiavako anao Nanomboka nazava ilay jiro nitsilopy Ho tonga ny havandra sy ny orana nikija tonga hisompatra Nanapaka ny taho sy namono ilay afo Tsy naharitra aho fa lasa Nanefy akany vaovao ho ahy Hanorenako indray ilay fitia nitsahinao Nandratra ahy Tsy hitamby aminao, na mangidy aza izany Maika mantsy ho fantatrao, ka izaho tsy hitomany Ka ny hoaviko eny indrisy, efa nopotehinao Hosaronako ilay tsiky, amin’zay tsy ho fantatrao Tsy ataoko ho fantatrao ny ratram-poko ao Sao araraotinao hampijalina ahy indray Ataoko toy ny hoe tsy tiako intsony ianao Hiala aminao aho sy hanadino anao Oram-be mivatravatra kotro-baratra No nalaiko ho namanao Tsy hamoy fo alahelo an-tanin’olona aho Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra Na ny mamiratra aza no hanambazana ahy Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao Ry tany mamiko no nampanembona ahy Nierikerika aho fa sao tao ianao An-tsaina sisa no nahitako anao Ny sitra-pony vitany nefa ianao feheziny Lay fahafahanao toa nitsahiny, tsy tsaroany fa Ireo toky sy dina nentiny nambabo anao Hay rotsirotsy fotsiny hampatory anao Hitanao izao f’ilay fitiavany dia tsy natolony ho anao Fa ho an’ny tenany Sombinaiko ho anao no amoronako ity hira ity f’efa Tsy ho ela dia ho avy ilay ora iray iandrasako anao Fantatro fa tsy safidinao ny ho tonga ety an-tany Tsy lanitra no hitsena anao na paradisa koa Mangahiahy tsy misy hitarainana Tsy mana-namana tsy manan-kavana Toa kamboty zary singan’olona Mavesatra ny fahanginana Mifendrofendro toa vonton’ny tomany Toa fenofeno ary sy manimanina I dada sy i neny tsy eo anilany Tsy hita izay ho sarangotina Fa firy moa no mba mijery izany Eny firy koa no mba manampy azy Misy ireo miraviravy tanana Toa mafy fo tsy mba miantra namana Fa firy moa no mba mijery izany Eny firy koa no mba manampy azy Ka tolory tanana aho mba jereo Fa aza avelanao ho irery fotsiny eo
Decembre 2019 Tsy mety leo e,tena niatr t@ tena le tatara, sombiniaiko ho anw no namoronak ity hira ity, ts lanitr no hitsena anw na paradisa koa, Ankehitrin lebe ny zanako msotr n Tompo
2023 tsika zao, tratra aho. Nenoko fotsiny ity hira ity tam za ado. Zao za adulte azoko sy niainako daholo ny paroles. Indrisy fa tsy natao hanatra taloha....Tsy nampoizina