FFPM480, Mamin'ny foko 1. Mamin'ny foko, ry Jeso o ! Ny famonjena izay vitanao; Ny hadisoako navelanao Tena afaka aho mandrakizay. Refrain : Jeso malala o! Mpamonjy soa Indro ny aiko raiso ho Anao. Velon-kanompo, Velon-kanoa, Vonon-kanao izay sitrakao. 2. Tano ny foko, ry Jeso tia! Zaza tsy mahasaraka Anao; Mbola malemy, mora mania, Tano hifikitra ao aminao. 3. Aoka ny foko sy ny fonao Hiara-mitepo tena iray; Aoka ny saiko sy ny sainao Hiray safidy mandrakizay