Izay mitantana ahy tsy maintsy miaritra Ka hampianatra ahy izay tiany hatao Azoko itokiana koa fa haharitra Fitavozavozako fanao Izay ekeko ho tena toky sy namako Ho mpitarika ahy rahatrizay Dia izay mahay mitana ny tanako Raha sendra mba lavo aho indraindray Efa fantatrao daholo ny toetrako Ka tsy misy miafina aminao Hitanao izay tontolo rehetrako Ratsy ireo na soa imasonao Fiv : Izany no antony Andraisako ny fitiavanao Izany no antony Ifidianako anao