Тёмный

MOFONAINA 10 SEPTAMBRA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA 

FJKM Isotry Fitiavana - Site Web
Подписаться 2,4 тыс.
Просмотров 384
50% 1

Опубликовано:

 

16 сен 2024

Поделиться:

Ссылка:

Скачать:

Готовим ссылку...

Добавить в:

Мой плейлист
Посмотреть позже
Комментарии : 4   
@FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
@FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb 7 дней назад
FANDAHARANA Sal 20,6-9 HF 3 (Jesoa vato fehizoro) Vavaka Hira 205/2 (Ny Tenin'ny Baiboly) Soratra Masina : I Jaona 5.4,5 Hira 636/1.4.5 (Ianao ry Jesoa o!...) (Mafy ny adinay ka be ny...) (Dia tafionao amin'ny heri...) Fiaraha-Mandinika Soratra Masina Vavaka + RZA 465/2 (Mitaona dia mitaona...) Tsodrano
@rajaonarisonnorotiana5184
@rajaonarisonnorotiana5184 6 дней назад
Voninahitra hoan'Andriamanitra irery ihany ❤🙏 Mankasitraka indrindra Pasteur Miarisoa @fampianarana nafafinao aminay, voaray tanteraka ny hafatra tompoko, hoaminao sy ny ankohonanao lalandava koa JESOA ary itoetra mandrakizay ao @fitandremanao😇
@FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
@FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb 7 дней назад
TAHIRIN-KEVITRA 1 Jao 5,4-5 1 - NY BOKY 1.1 Fandraisan’anjaran’ny tsirairay: Toko? Ny andininy tadidy? Taona: 80-110 T.K. 1.2 Fanampiny: . Mariho ny andininy voalohany sy ny andininy farany ampitahaina amin’ireo roa hafa. . Mpanoratra dia Jaona Apostoly: raiamandreny feno fitiavana sy entitra (miverina matetika ny hoe "Anaka" sy ny hoe "Ry malala", ary manamarika azy ny fitodihany amin’ny sokajin’olona rehetra ao amin’ny Toko faha-2). . Nanoratana dia ny fiangonana rehetra amin’ny toerana tsy voafetra sy ny fotoana tsy misy famaritana. . Misy antony no nanoratana: ianohan’ny hoe "mba" (I Jaona 1,4 sy I Jaona 5,13). . Hevitra telo misongadina: - Fahazavana - Fitiavana - Fiainana Ankoatra ireo dia lehibe ny fampianarana mikasika ny firaisana amin’i Kristy sy ny firaisan’ny fiangonana. . Fiainana mandrakizay isitrahana dieny ety an-tany (I Jaona 5,11-12). Drafitry ny Boky: 1. I Jaona 1,1-4: Fampidirana - Maneho ny tanjon’ny epistily "Jesoa no loharanon’ny fiainana sy fahatanterahana". 2. I Jaona 1,5-2,37: Fiainana ao amin’ny mazava. 3. I Jaona 2,18-29: Ny anti-Kristy. 4. I Jaona 3,1-24: Ny zanak’Andriamanitra marina. 5. I Jaona 4,1-6: Ny marina sy ny fiviliana. 6. I Jaona 4,7-21: Ny fitiavana marina. 7. I Jaona 5,1-21: Ny finoana mandresy sy famerenana ireo foto-kevitra teo aloha (Ny Finoana sy ny Fiainana mandrakizay). 2 - FAMARITANA NY TEKSTA Ao amin’ny fizarana farany no misy ny anjara mofon’ainantsika. Ny I Jaona 5,1-12 indrindra no milaza ny finoana mitondra antsika ho amin’ny fandresena izao tontolo izao. NB: Ny hevitry ny hoe "izao tontolo izao" (KOSMOS) dia ilazana rafitra sy fandaminana. Misy dikany maro izy araka ny zava-misy manodidina ny teksta. Eto, ny heviny dia milaza rafitra voazanaky ny fahotana sy ny fanoherana an’Andriamanitra (rafitra matanjaka sy mahery). 3 - IREO HEVITRA MANAN-DANJA AZO AVOAKA AVY AMIN'NY TEKSTA 3.1 Fanamafisana ny fahaterahana indray (Jaona 1,12). 3.2 Finoana no loharanon’ny fandresena (fandravana ilay rafitra matanjaka). 3.3 Ny fanekena ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa no miteraka famonjena, ka hitondrany fandresena sy fanafahana ho antsika. 3.4 Ety an-tanim-piadiana isika mpino ary mafy ny ady, saingy azo antoka ny fandresena. 3.5 Tsy herim-batana, tsy herin-tsaina, na hery ara-toekarena no handresena, fa ny finoana. 3.6 Tsy mora ny miatrika an’izao tontolo izao. 4 - FAMPIHARANA Extra : AOKA 4.1 Aoka havaozina isan’andro ny fandraisana an’i Jesoa mba ho vaovao isaky ny andro ianao miatrika an’ity izao tontolo izao ity. 4.2 Aoka hatoky isika fa azo ravaina tsara ny Kosmos (rindran-damin’ny devoly eto amin’ity tany ity). 4.3 Aoka ho fantatsika fa efa vita ny fandresena, ny anjarantsika dia ny miady. Aza misalasala fa manana fahasahiana eo anatrehan’izao tontolo izao. Vavolombelona (miaramila miady) fa tsy miaro tena fotsiny. 4.4 Aoka hanaiky isika fa ny finoana an’i Jesoa Kristy no handresena ny hevi-diso sy ny fanao tsy mety.
@modestineramamiarivony6526
@modestineramamiarivony6526 6 дней назад
Mankasitraka tompoko , tahin'i JESOA
Далее
Mampisafidy vady Andriamanitra , Iza no safidinao?
41:56
MOFONAINA 21 Septembre 2023  - 1 Jaona 1/1-10
23:25
Просмотров 1,5 тыс.