Ny vavako mbola hilaza Hihira Ilay fitiavanao, fa Na maro aza 'reo hira efa Mankalaza Anao dia Mbola mamiko hatrany Ny hihaino sy handre Ilay fitiavanao tokana an-tany Fa raha izaho no tokony ho faty Noho ny otako, noho ny otako Dia indro Ianao nanolo-tena hijaly Mba ho soloko, mba ho soloko Na mafy aza ny hazofijaliana Natolotrao ny tànanao hofantsihina Niaretanao ny fara-fahoriana Nahatonga Anao nilaza hoe : "Ray ô, nahoana Ianao no nahafoy Ahy ?" Na mafy aza ny hazofijaliana Natolotrao ny tànanao hofantsihina Niaretanao ny fara-fahoriana Mba hahatonga ahy handova ilay Fiainana, Fiainana mandrakizay Na mafy aza ny hazofijaliana Natolony ny tanaNy hofantsihina Niaretany ny farafahoriana Mba hahatonga anao handova ilay Fiainana, Fiainana mandrakizay Fiainana M A N D R A K I Z A Y !
Jesoa isaorako ny fitiavanao ahy Na mafy ny manjo mandresy ny fanahy Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao Mionona ny fo eo am-pelantananao Jesoa misaotra indrindra Misaotra eram-po Ny fiainako mirindra Ka ampoky ny soa Fa ampy hifaliako ny fahasoavanao Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao Jesoa isaorako ireo teninao Fa dia nandramako mandresy aho izao Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao Matoky izany fo ampaherezinao Jesoa misaotra indrindra Misaotra eram-po Ny fiainako mirindra ka ampoky ny soa Fa ampy hifalialo ny fahasoavanao Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao Jesoa misaotra indrindra e Misaotra eram-po Ny fiainanay mirindra ka ampoky ny soa Izao no faniriana ireo taranakay Jesoa ho fifaliany ny fahasoavanao.
MATOKIA NY TOMPO IANAO (Pasteur Jocelyn) X2 Mandalo ady sarotra ianao Toa mila ho reradreraka ny fo Mideza dia mideza Tsy manam-paharoa Tsy maintsy ho lalovana tokoa Refrain : Matokia ny Tompo ianao Ny zava-drehetra dia hainy atao Ario ‘reo hakiviana sy ny tahotrao Ny zavatra rehetra (2) Hainy atao X2 ‘Ty ranomasim-be izay eo aloha Tsy azo ihoarana tokoa Nefa aoriana koa dia fahavalo marobe Toa mila hahakivy ny fanahy re Refrain : X2 Matokia ny Tompo ianao Ny zava-drehetra dia hainy atao Ario ‘reo hakiviana sy ny tahotrao Ny zavatra rehetra (2) Hainy atao Matokia ny Tompo ianao Ny zava-drehetra dia hainy atao Ario ‘reo hakiviana sy ny tahotrao Ny zavatra rehetra (2) Hainy atao
Amorony fo madio (Ny Mpitory) Strophe 1 Amorony fo madio aho Andriamanitra o Fo iray hiorim-paka mafy ao Aminao Handosiran’i Satana Fa hivoha hidanadana Henika sy feno ny hasoavanao Strophe 2 Mba tolory saina tsara aho Tompo Masina o! Mba hisainako ny lala- Mankany Aminao Saina afaka hahalala Fa tsy ny lala-migodana No hanatrarana ilay paradisa soa Strophe 3 Akaikezo e! inty ny tanako fikiro Fa manonja anie ’ty rano be Aza avela handeha irery Tantano an-dalana aho sao very Jesosy o! Ianao no tokiko Strophe 2 ’Lay fanahy maha-olona nomenao ho ahy koa Azoko ambara fa raha toa tsy arovanao Dia manjary mampanahy Raha tratry ny fakam-panahy Ka farany ho may sy ho ratsy fiafara Strophe 3 Ny tongotro, ny tanako, ny loha, ny masoko Ny eritreritro, ny sofiko, ny vavako Zany hoe raha an-totaly Tsy zava-bitsivitsy ihany F’izaho mihitsy no apetrako Aminao Strophe 3 Akaikezo e! inty ny tanako fikiro Fa manonja anie ’ty rano be Aza avela handeha irery Tantano an-dalana aho sao very Jesosy o! Ianao no tokiko
manome fifaliana sy fiadanam-po ho ahy lalandava ny mihaino ny hiran'ny Mpitory izay tenin'Andriamanitra tokoa! Misaotra Ny Tompo nanome azy ireo ny talenta hiderany an'Andriamanitra!