(Hisy raha hiseho mahagaga, ho avy tsy ho ela Jesosy Mpanjaka Hitsimbadika ambony ambany ny tantara Fa ho avy hamonjy ny olony Jesosy Mpanjaka.) x2 IeJesosy Tompo Tompo dia nampanantena F’izay rehetra mino Azy, no ho vonjena Ny fahantrana iainantsika ho faranany Ny fahoriana be mianjady ho foanany e. Ianao mitebiteby sy mitaintaina, efa sasatra miandry, mitaraina Mahereza, mahatanjaha, aoka hanantena, efa hidina ny Tompo, hitondra famonjena. Ie Ho foana ny adiady sy ny korontana, na ara-politika na ara-pinoana Mirindra tsara ny fiaraha-monina, ireo mpifandrafy aza, indreo fa miombona e ! Ny tany handry fahalemana, rava ny adim-poko sy ny fitiavan-tena Ny tsy fahamarinana, tsindry hazo lena, hotonga ny Tompo hanafaka ny firenena Ny Tompontsika tsy manao ronono an-tavy,na sanatria kabary ambony vavahady Jesosy Tompo tsy manao kobaka am-bava, na sanatria mpitari-bato vilam-bava Andriamanitra tsy mba olona ka handainga Na sanatria zank’olombelona Izy ka hanenina Rehefa niteny Izy di ahefainy, ary rehefa nilaza Izy dia hotoaviny Moa ka tsy izany va, marina izany !!! tononkira.serasera.org/hira/les-adeline/hisy-raha-hiseho-mahagaga Tsiky dia ampy