zany ka hira !.... misy vetiny fa tsy ranony fotsiny e!... misy ho raisina betsaka hoan'izay te handray an !....mampisaina sy mampiertreritra ary mampihomehy indraindray koa e !....
Ianareo tovovavy indray 'zao no resahana ka aoka hipetraka Fa raha samy hanambady ihany dia amin’ny mpiravo-damba miresaka Fa raha toa ka mpivaro-kena no manao kôdy fara mikitika Dia aza misy mamaly akory fa ilaozy mandehana mipitsika Efa zatra mitolon’omby ireny sady mpanao ody tandroka Ka raha misy adiady kely dia manaikitra sady mandrangotra Isan’andro dia mihosin-drà sy mihoso-menaka hatrany amin’ny sangany Fanompoana foana isan’andro vaky ny manasa ny akanjo sy lambany Ka tsy lasa ry ianona a! Aoka ihany hijanona a! Mpivaro-damba no reviko Fa raha mpivaro-kena vereziko, Eo ianao re Razôrza Dia atao ny devôrsa a! Fa aleoko mananon-tena Toy izay hanambady mpivaro-kena Efa ela no nampitovy fa ny mpivaro-damba no mendrika Fa raha izay mpivaro-kena, herintaona ny sambo dia rendrika Rehefa afaka herintaona dia tsy maintsy mitranga ny ditrany Any Isotry sy Andravoahangy, Besarety no misy ny sipany Rehefa tonga eny ambony akalana ka misy ny hena miantona Pi-maso tsy misy farany raha misy ny kala manatona Fa raha misy famerim-bola dia lazainy fa adinodinony Amin’izany ny tananao dia samboriny sady fihininy, Raha mpivady no miaraka, dia angamba hisaraka Izy angaha dia mivaky loha, fa hitsikitsikiany ilay ramatoa. Ô ry kala Voahirana a! Raha tsy te ho sahirana a! Aza ireny no hidirana Fa tadiavo izay tany handosirana a! Ny mpivaro-damba ry madimozely Bakoly ô! Ny mpivaro-damba ry madimozely Saholy ô! Madio saina sy madio fo raha olombelona a! Ka tsofiko rano isan’andro izy ireo mba ho ela velona, Ny mpivaro-damba na olon-dehibe na tovolahy e Dia olona tsotra no sady malemy fanahy e! Mirana lava raha sendra mba hitako eny an-tsena Fa tsy mba mizihitra ohatran’ilay mpivaro-kena Andeha ary ange ho jerena Irony vadina mpivaro-kena Raha jerena ny vola ambogadiny Dia ho sambatra angamba ny vadiny Kanefa tsy miala eny an-tanany Na dia alina aza ondanany Io no bala hitifirana No sady vavahady ampidirana Kanefa tsy ianao no mitantana Fa feheziny hatrany amin’ny fatana Raha ireny no hanaovana afera Dia aleoko manao masera Rediredin’ny kely saina ny anareo ry Terezy sy Zanina a! Fa be ny mpivaro-kena fa ireo ny tsy mahay mihinan-kanina a! Raha ny vola no tanisaina dia mibotsina lava ny paosiny Raha ny laokany no lazaina dia miova isan’andro ny saosiny Amin’izao vaninandro izao dia ny mpivaro-kena no rôla a! Fa raha izay mpivaro-damba dia zoera tsy mahafaty baolina a! Ferimiera sy zarifama ka hatramin’ny hôtesy no miakatra a! Dia mirevy mpivaro-kena, satria any mantsy ilay zavatra a! Zao no hafatr’i dadanay Sady tenin'i mamanay Vady ve no tadiavina a! Ka raha mpivaro-kena aza lavina a! Raha toa ka mpivaro-damba Ny fitiavany mody jamba Izaho mantsy dia tokam-po Ka leiroa ihany no ao an-doha Volonondry sy terigala ry kala tsy ampy ivelomana Na mihaingo mamirapiratra aza maty rehefa tsy omana Fa ny bandy mpivaro-damba anie ry kala ka bandy sahirana Paka sy ny krisimasy ireny vao mba mahita mangirana Fa ny bandy mpivaro-kena isan’andro isan’andro dia tobaka Na hôtely na olon-tsotra vao maraina dia indreo mifandrobaka Amin’ny roa ambinifolo atoandro dia efa tapitra lafo ny entana Dia indreny izahay mitsama hikaroka fahafinaretana, Na hatrany amin’ny video, dia mankany amin’ny kazinô Na hatrany amin’ny sinemà, manenjika jazy sy lambadà, Na hatramin’ny fitafinay, dia ovainay atao milay Izy amin’ny “Jean” sy ny bôty, le sipa amin’izany zipo klôty Ny mpivaro-kena ry madimozely Denizy ô! Ny mpivaro-kena ny madimozely Loizy ô! Mahery fo sy mahery mitady rankizy a! Fa sambatra ihany ianareo manana azy Ralizy a! Mpivaro-kena sy mpivaro-damba tsy sahala Ny iray voky hena ny iray voky ovy ry malala a! Asanareo izay mifidy ka maka mitsora Mpanankarena ho vady ny anay ka mivola Ny mpivaro-damba matetika Olona ratsy fitetika Zatra mandrefy rahavahana Dia refesiny koa ny fitiavana, Na tsara na ratsy ny vadiny Tsy omeny fitia ambongadiny Zatra manao an-tsijarany Ny fitia aza voazararazarany Zatra manao didy vilana Dia manao fitia mitongilana Izay manambady an’ireny Herintaona dia efa raneny -------
Ny tonony dia manambara fa na dia TSARA aza dia azo HARATSIANA. Ny RATSY 100% azo HATSARAINA 100%!!! Io no miteraka FIFANDIRANA : ny zavatra rehetra misy LAFITSARANY sy LAFIRATSINY.