"Fan" de Mahaleo en général,de "Mr Dadah"en particulier.Un grand poète,pour ne pas dire le meilleur.Modeste mais grand.Azafady am le vamnanana fa ho lava be raha teny gasy.Trano sud sy nord:hihihi teny am "cité U"67ha:efa samy "soir2"isika 2lahy hihihi.Merci DADAH.
Ambentin-kiran'i Dada ny fiatrehana fahafatesana taminny album ny sy ny teniny - jereo fotsiny ny fanombohany ny resaka teto....efa lehibe...sns...mety afaka nanotanianareo hoe ...matahotra fahafatesana sy fiafarana angaha ianao???
Tena mpiondana Mahaleo ny tenanay nefa angamba tsy ho saropiaro ny namana rehetra fa nisongadina hatrany ny sanganasan'i dadah. Sakamalao sy havozo hoy ny fitenenana ka samy manana ny hanitra ho azy. Mirary ireo taranany mba handimby sy hanohy ny asan'izy ireo. Efa mpandova avy hatrany ianareo
NOheveriko fa tsy tokony nanontany ianareo hoe maninona ny volony no nosolaina. Satria angamba tsy mila manontany dia fantatra ny antony. Raha niova volombava izy dia marina izany...indraindray mba misy zavatra tsy fanontany ihany.
Adinonareo ny nanontany hoe betsaka ny hirany ny milasa fitia afenina, tokatrano imaso, fitia antsokosoko....nety ho fantatra ve ny anton'ny fiverimberenan'ireny???
Dia nirotsaka tsy satry ny tomany, Nandao anay ianareo (Raoul, Nônô, Fafah, Dadah) Hikopak'elatra any an-danitra vaovao Hasambaram-baovao, ho rivo-baovao Ando tsaran'ny maraina ho anareo Fa ny anay hovonoinay ny tsiahy Ho soloinay hirahira tsy ampanahy. Mandria am-piadanana ianareo !
Mahery i lery kah ! tsara daholo ny hirany , feno anatra feno fisainana feno fahendrena , na ny hira comique aza tsara daholo ee ! MISAOTRA ANAO NY TENAKO
Mahafinaritra kokoa ilay Dadah miara-mihira amin'ny vehivavy. Heno kokoa ny tsiron'ilay hirany :) tsy hoe ratsy ilay izy irery fa hafa ihany ny " duo " :) Hafa mihintsy ny mihaino azy e ! Merci