Avy amin'ny fo zany fitiavana zany, hono hoe Maniry ny anilanao Lazao izy fa nitsiry tao anatiny, hono hoe Tsy zakany hokobonina Mba anontanio azy Fa rahoviana no hamaliany azy Fitia mamy ny azy, hono hoe Tsy manery fa miangavy Tsy maintsy ho afa-po hono ianao ao anaty ny lakam-pitia Zaraina ny soa, hono, ianao Ary hitoetra mandramaty Ianao ihany no hany tokana tiako eto an-tany Avelao ny fonao hamoaka ny taratra hazavana Ampitao aminy zay mba tiako ambara Fa lasany any ny foko nataony amboara Aleo 'zaho ho anao ihany Fa 'zaho efa voanao ihany Tsy mahita tory Fa lasa vinany, hono hoe, Mieritreritra anao Raha misy mampahory Aza mitomany zany, hono hoe Fa izy no atao herinao Ho voatambitamby, Ho voky fitiavana sy teny mamy Tsy ho leo sangisangy Feno tsiky foana foana, hatrany hatrany Mba lazao azy ary, Mba lazao hono hoe Izy hono tsy hiova fa eo anilanao eo foana Tsy hiova fanahy Tsy hiova fo Mahazo matoky fa tsy ho voafafan'ny taona Ampitao aminy zay mba tiako ambara Fa lasany any ny foko nataony amboara Aleo 'zaho ho anao ihany Fa 'zaho efa voanao ihany Ampitao any, ampitao any moa Ampitao aminy zay mba tiako ambara Fa lasany any ny foko nataony amboara Aleo 'zaho ho anao ihany Fa 'zaho efa voanao ihany