Henemana androany izao Ny andro nahalasananao Ny ato an-tranontsika Tsisy miova bika Saingy malahelo, mangatsiaka Ilay piano fitendrinao Tsisy mandray azy intsony Lasa mangingina Ny ato an-tranontsika Tonga malahelo, mangatsiaka Ny aty zao tsy misy vaovao holazaina Ny alahelo anao no be, sombiniaina Sombiniaina Omaly tontolon'ny andro iny aho Tsy nahita izay atao aho Ny bokintsarintsika no nojereko Ka sady velon-tsiky aho No nisento aho Ny fandefasampeo injao Mandefa ilay hira tianao Ny orana no injany any ivelany any Mitaitaika mora Toa tsy ho lany Ny aty zao tsy misy vaovao holazaina Ny alahelo anao no be sombiniaina Sombiniaina