cette chanson me rappelle de DOUX souvenirs, Gloire à Toi mon DIEU pour tous tes bienfaits dans ma vie et celle de mes proches. QUE ton nom soit Elevé.
Tsara ianao Andriamanitra o.ampio aho mba tsy hisaraka aminao mandrakizay sy mba hanova ny tsy mety ato amiko.misaotra betsaka fa tena mahavelona ny fanahy ny hiranao.❤❤
tsara be le hira!ho tonga lavitra ne ny mozika entinao Joseph d af an!tohizo atrany fa mendrika alaina tahaka !mankasitraka indrindra de mirary fahombiazana feno ho anao.
TSARA NY tonon'khira, tsara koa ny feo, ARY koa mihembena mafy fa efa akaiky dia hoavy ny TOMPO @ anarany JESOSY irery iany ny Haja, voninahitra AMEN!!!
Andriamanitry ny fahatsarana ! Hihira ho anao aho. Feno anao ny vavako, mipololotra avy ao am-po Ny Anaranao no asandratro Hihira aho ny herinao , nanosotra ahy hitory anao Hitondra avo ny anaranao Haleloia, haleloia,tsara Ianao Haleloia, haleloia, tsara Ianao Ny anton'ny hirako sy fahavelomako Dia Ianao ry Ray, mandrakizay Ny antony ivelomako sy ny anton'ny hirako Dia Ianao, Ianao tokoa. Andry iankinan’ny foko, vetson’ny fanahiko Ny anaranao mamelona ahy. Ny fahagagana vitanao, ny zava-drehetra hainao atao Tsy haiko ny tsy hihira ho Anao Haleloia, haleloia, mendrika Haleloia, haleloia, mendrika. Ny anton'ny hirako, fahavelomako Dia ho Anao ry Ray, mandrakizay Ny antony ivelomako sy ny anton'ny hirako Dia Ianao, ho Anao tokoa Ny antony ivelomako sy ny anton'ny hirako Dia ho Anao, Anao tokoa.
tsy haiko ho misy mba mitovy amiko ve ny olona fa za mahita fa sarotra sy mafy ary tena mangidy sy mampijaly ny tena manaraka an'i Jesoa Kristy, tena ady isan'andro, isan'ora, isan-tsegondra ary tena manahira nefa misy olona hitako hoe falifaly sy miramirana, faly ihany izao rehefa teny mandinika ny cas misy ahy nefa itako hoe tsy mitovy amin'ny an'ny olona sasany, tsy hoe tsy tsara Andriamanitra ah tsara Izy ary tena tsara, fa hatramin'ny niezahako anaraka Azy dia hitako hoe mafy ny ady atrehako sady sarotra eh, sarotra nefa izorako ihany ary tsy amelako, Je veux me battre pour toi Jésus, j'essayerai
ZAH ko efa mametraka ? toa anao zany matetika fa te i-rassurer anao aho hoe Hain'i JESOSY ny zavatra rehetra ary haiNy hoe hatraiza ny fetra zakanao,mitoera tsara aza miova fa Izy tsy andao na ahafoy anao mihintsy dia aza adino miconnecter amiNy matetika
Tena iainana mihitsy ilay hoe miaraka @kristy de tsy maintsy milanja ny hazo fijalinyKanefa tena hasehony mihitsy fa fandresena ny ao ambadikizay mila matoky azy isika fa tsy manary Izy ary tsy mandao
tsy takatry ny saina ny fitiavanao anay Andriamanitra o.midera anao lalandava ny foko Tompo.ny fahasoavan Andriamanitra anie ho anao mpihira ary tena makasitraka e.