Aleoko ny ahy / Paroles Fantatro fa maro tokoa Ireo hira tsara tsy afaka am-bavanao e Maro izy ireo no mahasoa Ao ny manentana mba hilalao e Nefa asa ho aho fa tiako ny ahy Ka tsy mba atakaloko ny an'ny hafa e Ka na hira inona no hanana fahatsarana Dia aleoko ihany ny fiderana e Ka ho hiraiko foana e Ny hira fiderana, satria ilay Tsitoha mpanao ny tsara no hoderaiko Nahoana ny fiderana no tsy ho lalaiko Misy aza moa mandratra fo Hira izay mandoaka ny fery anaty e Hiram-pitia izay mahavoa Anefa dia be mpitia sady be mpitady e Nefa asa hoy aho fa tiako ny ahy Ka tsy mba atakaloko ny an'ny hafa e Ka na hira inona no hanana fahatsarana Dia aleoko ihany ny fiderana e Ka ho hiraiko foana e Ny hira fiderana, satria ilay Tsitoha mpanao ny tsara no hoderaiko Nahoana ny fiderana no tsy ho lalaiko