Nomenao azy, izay nilainy Nahiliny mafy modiny hoe tsy ainy Efa leo ny nizara fitiavana Izay tsy ilainy intsony f'izy hono efa manana Ka sarotr'aminy ny hahazo sy handray anao Aleo hono any e Toy ny ranomasina eo anelan-tany Akaiky lavitra tsy ho tafahoana izany Voro-manidina no hitatitra makany Raha ho tonga any e Fa mbola ho foiko ho anao ny ampitsiko Satria efa nomeko anao ny omaliko Efa betsaka ny zavatra vitako fa Betsaka koa nefa no mbola homaniko Efa ainao aho fa, vonona ny hanaraka anao toy ny aloka Tononkalo aloha no vitako fa aiko fa tsy ampy raha izay tononkaloko Dia aleoko jamba, toy izay ahitanao hitantana tànana hafa Dia aleoko marenina, toy izay hahaeno hiantso anarana hafa Horovitiko daoly ny pejin'izay ho tantaranao hafa dia Ho arodako izao tontolo izao raha iny ianao hanorona hasambarana hafa Nomenao azy, izay nilainy Nahiliny mafy modiny hoe tsy ainy Efa leo ny nizara fitiavana Izay tsy ilainy intsony f'izy hono efa manana Ka sarotr'azy ny hahazo sy handray anao Aleo hono any e Toy ny ranomasina eo anelan-tany Akaiky lavitra tsy ho tafahoana izany Voro-manidina no hitatitra makany Raha ho tonga any e Dia ahoana ary? Hadaboka ve? Hifamaly amin'ny teny sy hifampidaroka ve? Ny hasambarana ho simbaina tampoka ve? Ny masoandro atakalo andro maloka ve? Fa tsy afaka miaritra ve? Satria ilay mifankatia lasa sarotra be? Samy lavo isika fa tsy afaka hiatrika ve? Dia aona ary? Hisaraka ve?